← Revelation (7/22) → |
1. | Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo akory aza. |
2. | Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe: |
3. | Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika. |
4. | Ary nahare ny isan'izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin'ny firenen'ny Zanak'isiraely rehetra. |
5. | Avy tamin'ny firenen'i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin'ny firenen'i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Gada roa arivo amby iray alina. |
6. | Avy tamin'ny firenen'i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Manase roa arivo amby iray alina. |
7. | Avy tamin'ny firenen'i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Levy roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'Isakara roa arivo amby iray alina. |
8. | Avy tamin'ny firenen'i Zebolona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. |
9. | Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany, |
10. | dia niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an'Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, sy ho an'ny Zanak'ondry. |
11. | Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin'ny loholona sy ny zava-manan'aina efatra, dia niankohoka teo anoloan'ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin'Andriamanitra |
12. | nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena. |
13. | Ary ny anankiray tamin'ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy? |
14. | Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry. |
15. | Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman'alina eo amin'ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary. |
16. | Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory. |
17. | Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony (Isa. 25. 8). |
← Revelation (7/22) → |