← Revelation (20/22) → |
1. | Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; |
2. | dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona, |
3. | dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. |
4. | Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. |
5. | Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. |
6. | Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. |
7. | Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny tranomaizina nitoerany |
8. | ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona ary ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany. |
9. | Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin'ny olona masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy. |
10. | Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin'alina mandrakizay mandrakizay ireo. |
11. | Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. |
12. | Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany. |
13. | Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. |
14. | Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. |
15. | Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy. |
← Revelation (20/22) → |