← Numbers (9/36) → |
1. | Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta ka nanao hoe: |
2. | Aoka hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska amin'ny fotoany. |
3. | Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity no hitandremanareo azy amin'ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo azy. |
4. | Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely mba hitandrina ny Paska. |
5. | Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr'i Sinay izy tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely. |
6. | Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin'izany andro izany; dia nankeo anatrehan'i Mosesy sy Arona izy tamin'izany andro izany |
7. | ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin'ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah amin'ny fotoany? |
8. | Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian'i Jehovah ny aminareo. |
9. | Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: |
10. | Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah ihany koa izy. |
11. | Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin'ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy. |
12. | Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin'ny Paska ihany koa no hitandremany azy. |
13. | Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah tamin'ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany. |
14. | Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin'ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany. |
15. | Ary tamin'ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain'ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin'ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain'ny andro. |
16. | Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina. |
17. | Ary rehefa niakatra niala tamin'ny tranolay ny rahona, dia niainga ny Zanak'Isiraely, ka teo amin'izay nijanonan'ny rahona no nitobiany. |
18. | Araka ny didin'i Jehovah no niaingan'ny Zanak'Isiraely, ary araka ny didin'i Jehovah koa no nitobiany; tamin'ny andro rehetra izay nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely no nitobiany. |
19. | Ary na dia nijanona ela teo ambonin'ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremana ihany ny Zanak'Isiraely ka tsy niainga. |
20. | Fa indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely; araka ny didin'i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany. |
21. | Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak'Isiraely; koa na andro na alina no niakaran'ny rahona, dia niainga izy. |
22. | Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak'Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy. |
23. | Araka ny didin'i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy. |
← Numbers (9/36) → |