← Luke (23/24) → |
1. | Ary ny olona rehetra nitsangana ka nitondra an'i Jesosy tany amin'i Pilato, |
2. | dia niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an'i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka. |
3. | Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Voalazanao. |
4. | Dia hoy Pilato tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok'ity Lehilahy ity. |
5. | Fa vao mainka nandentika ireo ka nanao hoe: Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra eran'i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatraty. |
6. | Raha nandre izany Pilato, dia nanontany raha olona avy any Galilia Jesosy. |
7. | Ary rehefa fantany fa avy tamin'ny tany tapahin'i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin'i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin'izany andro izany. |
8. | Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an'i Jesosy; fa efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa nandre ny aminy ary nanantena hahita famantarana hataony. |
9. | Ary izy nanontany Azy teny maro; fa tsy namaly teny azy akory Jesosy. |
10. | Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nijanona teo dia nitompo teny fatratra hiampanga Azy. |
11. | Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin'i Pilato. |
12. | Ary tonga nisakaiza Heroda sy Pilato tamin'izany andro izany; kanefa nifandrafy izy roa lahy talohan'izany. |
13. | Ary rehefa nasain'i Pilato novorina ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka, |
14. | dia hoy izy taminy: Entinareo atỳ amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka; ary, indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok'ity Lehilahy ity amin'izay iampanganareo Azy. |
15. | Tsia, na dia Heroda koa aza, fa namerina Azy hoy amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy; |
16. | koa hofaizako Izy, dia halefako. |
18. | Fa izy rehetra niantso mafy indray miredona nanao hoe: Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho anay! |
19. | Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona. |
20. | Ary satria tian'i Pilato halefa Jesosy, dia niteny indray izy. |
21. | Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! |
22. | Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako. |
23. | Fa niantso tamin'ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an'i Jesosy amin'ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon'ny olona. |
24. | Ary Pilato dia nandidy hanao izay nangatahiny. |
25. | Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony. |
26. | Ary raha nitondra an'i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an'i Jesosy. |
27. | Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy. |
28. | Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo. |
29. | Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza. |
30. | Dia hilaza amin'ny tendrombohitra hoe izy: Mianjerà aminay; ary amin'ny havoana hoe: Saròny izahay (Hos. 10. 8). |
31. | Fa raha ataony amin'ny hazo maitso izany hatao ahoana amin'ny maina? |
32. | Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa. |
33. | Ary rehefa tonga teo amin'ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an'i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany. |
34. | Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany. |
35. | Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin'Andriamanitra, dia Ilay nofidina. |
36. | Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra, |
37. | sady nanao hoe: Raha Hianao no Mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny tenanao. |
38. | Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN'NY JIOSY. |
39. | Ary ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay. |
40. | Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza? |
41. | Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin'ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza. |
42. | Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao. |
43. | Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. |
44. | Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy izany, |
45. | satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin'ny tempoly. |
46. | Ary niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko (Sal. 31. 5); ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy. |
47. | Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io. |
48. | Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra. |
49. | Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany. |
50. | Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan'ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina. |
51. | Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon'ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan'ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan'Andriamanitra. |
52. | Izany lehilahy izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy. |
53. | Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin'ny fasana nolavahana tamin'ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona. |
54. | Ary andro fiomanana izany andro izany, ka efa antomotra ny Sabata. |
55. | Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty. |
56. | Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna. |
← Luke (23/24) → |