Lamentations (1/5) → |
1. | Indrisy, mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona! Efa tonga toy ny mpitondratena izy! Ilay nalaza tamin'ny firenena sy andriambavy tamin'ny tany samy hafa dia efa miankin-doha kosa izao! |
2. | Mitomany dia mitomany izy nony alina, ary ny ranomasony dia eny an-takolany; Izay rehetra tia azy dia tsy misy mampionona azy; Ny sakaizany rehetra efa nivadika taminy ka tonga fahavalony. |
3. | Lasan-ko babo ny Joda noho ny fahoriana sy ny haben'ny fanompoana; Mipetraka ao amin'ny jentilisa izy, nefa tsy mahita fitsaharana; Izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo an-ketena. |
4. | Ireo lalana mankany Ziona dia mitomany, satria tsy misy miakatra ho amin'ny fotoam-pivavahana; Lao ny vavahadiny rehetra, misento ny mpisorony; Ory ny virijinany, ary Ziona dia efa azon'ny fahoriana mangidy. |
5. | Ny rafiny no mpanapaka, ny fahavalony no miadana, Satria Jehovah no efa nampahory azy noho ny hamaroan'ny fahotany; Ny zanany madinika dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony, |
6. | Ary ny voninahitr'i Ziona zanakavavy rehetra dia efa tsy ananany intsony; Ny mpanapaka azy dia toy ny diera tsy mahita ahitra, Ary mandeha reraka eo anoloan'ny mpanenjika azy izy. |
7. | Tsaroan'i Jerosalema amin'ny andro fahoriany sy fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatry ny ela; Fa nony naripaky ny fahavalo ny olony, ka tsy nisy namonjy azy, dia nahita azy ny fahavalo ka nihomehy ny faharavany. |
8. | Efa nanota dia nanota Jerosalema. ka izany no nahatonga azy ho fahavetavetana; izay rehetra nanaja azy dia mamingavinga azy, satria efa nahita ny fitanjahany ireny; Eny, na ny tenany aza dia miferinaina sady miamboho. |
9. | Ny lotony dia teo amin'ny moron-tongotr'akanjony, tsy nitsapa farany izy; Dia mahagaga ny fietreny, tsy misy mampionona azy. Jehovah ô, jereo ny fahoriako, fa mirehareha ny fahavalo. |
10. | Ny fahavalo naninjitra ny tànany naka ny zava-tsoany rehetra; Fa ny jentilisa, izay noraranao tsy hiditra amin'ny fiangonanao, dia hitany tafiditra ao amin'ny fitoerany masina. |
11. | Misento ny olony rehetra, mitady hanina; Eny, atakalony hanina ny zava-tsoany hamelombelona ny ainy; Jehovah ô, jereo ka diniho, fa vingavingaina aho. |
12. | Moa tsy mampaninona anareo va, ry mpandalo rehetra? Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako, izay namelezany ahy, dia ilay nampahorian'i Jehovah ahy tamin'ny andro firehetan'ny fahatezerany. |
13. | Avy tany amin'ny avo no nandatsahany afo ho amin'ny taolako handoroany azy; Namela-pandrika harato haningorana ny tongotro Izy ka nampihemotra ahy; Nampahalao sy nampahareraka ahy mandritra ny andro Izy. |
14. | Ny ziogan'ny fahotako nofehezin'ny tànany; Voaolana ireny ka tonga eo an-katoko; noketrahiny ny heriko; Natolotry ny Tompo ho eo an-tànan izay tsy leoko aho. |
15. | Nataon'ny Tompo tsinontsinona ny maheriko rehetra; Nanendry fotoana hamelezana ahy Izy, handringanana ny zatovoko; Ny Tompo nanosihosy an'i Joda zanakavavy virijina toy ny eo amin'ny famiazam-boaloboka. |
16. | Izany zavatra izany no mampitomany ahy; e! ny masoko, ny masoko mamarin-dranomaso, fa lavitra ahy ny mpampionona izay tokony hamelombelona ny fanahiko; Ringana ny zanako, fa mahery ny fahavalo. |
17. | Ziona mananty tanana, nefa tsy misy mampionona azy; Jehovah nandidy ny amin'i Jakoba mba ho tonga fahavalony ny manodidina azy; Jerosalema dia tonga fahavetavetana eo afovoan'ireo. |
18. | Marina Jehovah, fa efa nandà ny teniny aho; Ry firenena rehetra, masìna ianareo, mba jereo ny fahoriako; Lasan-ko babo ny virijinako sy ny zatovoko. |
19. | Nantsoiko ireo tia ahy, fa nofitahiny aho; Ny mpisoroko sy ny loholoko niala aina tao an-tanana, Tamin'ny nitadiavany hanina hamelombelona ny ainy. |
20. | Izahao, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho, mandevilevy ny foko; Miontana ato anatiko ny foko, fa naditra dia naditra aho; Eny ivelany dia ny sabatra no mahafoana anaka, ary ao an-trano dia toa misy fahafatesana kosa. |
21. | Reny fa misento aho; tsy misy mampionona ahy; Ny fahavaloko rehetra nandre ny fahoriako, ka faly izy, satria Hianao no nanao izany; Hahatonga izay andro nantsoinao Hianao, ka dia ho tonga tahaka ahy koa ireo. |
22. | Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy kosa tahaka izay nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra; Fa imbetsaka ny fisentoako, ka reraka ny foko. |
Lamentations (1/5) → |