← Job (38/42) → |
1. | Ary teo anatin'ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an'i Joba ka nanao hoe: |
2. | Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana? |
3. | Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio: |
4. | Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao. |
5. | Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy? |
6. | Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony, |
7. | Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra? |
8. | Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy, |
9. | Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony, |
10. | Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana |
11. | Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao? |
12. | Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak'andro, |
13. | Mba horaisiny ny sisin'ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy? |
14. | Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny, |
15. | Ary hosakanana ny fahazavan'ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina. |
16. | Moa efa niditra hatrany amin'ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin'ny fanambanin'ny lalina? |
17. | Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin'ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin'ny aloky ny fahafatesana? |
18. | Moa efa voadinikao ny hatrany amin'ny fahalalahan'ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany. |
19. | Aiza ary no lalana ho any amin'ny fonenan'ny mazava? Ary aiza no fitoeran'ny maizina? |
20. | Mba hitondranao izany ho amin'ny faran'ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony. |
21. | Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin'izay, ary maro ny isan'ny andronao! |
22. | Moa efa niditra tany amin'ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra, |
23. | Izay voatahiriko ho amin'ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika? |
24. | Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan'ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin'ny tany? |
25. | Iza moa no nihady lalan-drano ho an'ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an'ny helatry ny kotrokorana, |
26. | Handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina, |
27. | Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry? |
28. | Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon'ando? |
29. | Kibon'iza moa no nihavian'ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin'ny lanitra, iza no niteraka azy? |
30. | Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin'ny lalina. |
31. | Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy? |
32. | Mahavoaka ny Mazarota amin'ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin'ny zanany va ianao? |
33. | Fantatrao va ny lalàn'ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan'ireny ny tany va ianao? |
34. | Mahasandratra ny feonao ho amin'ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka? |
35. | Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay? |
36. | Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana? |
37. | Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon'ny lanitra, |
38. | Hitambaran'ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga? |
39. | Mahay mihaza toha ho an'ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan'ny liona tanora, |
40. | Raha mamitsaka ao amin'ny fitoerany izy ary manotrika ao amin'ny kirihitrala? |
41. | Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina? |
← Job (38/42) → |