← Job (21/42) → |
1. | Dia namaly Joba ka nanao hoe: |
2. | Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy. |
3. | Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo. |
4. | Raha ny amiko, moa ny ataon'ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko? |
5. | Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava. |
6. | Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako: |
7. | Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery? |
8. | Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany. |
9. | Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy. |
10. | Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra. |
11. | Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman'osy izy, ka mikoriana ny zanany. |
12. | Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin'ny feon-tsodina. |
13. | Mandany ny androny amin'ny fahafinaretana izy; Amin'ny indray mipi-maso monja no idinany any amin'ny fiainan-tsi-hita. |
14. | Kanefa anie ireo no manao amin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao. |
15. | Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy? |
16. | Indro, tsy avy amin'ny tenany ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy! |
17. | Indraindray foana no mba maty ny jiron'ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran'Andriamanitra fandrika ireny noho ny fahatezerany, |
18. | Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin'ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin'ny tafio-drivotra. |
19. | Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan'ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany. |
20. | Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran'ny Tsitoha. |
21. | Fa mampaninona azy moa ny amin'ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan'ny androny? |
22. | Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra aza? |
23. | Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy; |
24. | Feno ronono ny fitoeran-drononony, ary vonton-tsoka ny taolany. |
25. | Ary ny anankiray maty amin'ny fahorian'ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory. |
26. | Samy mandry ao amin'ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany. |
27. | Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy; |
28. | Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon'ny mpitohatoha? Ary aiza ny lay fitoeran'ny ratsy fanahy? |
29. | Kanefa tsy mba nanontany tamin'ny mpandeha amin'ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, ambaran'Ireo hoe: |
30. | Amin'ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin'ny andro fahatezerana dia enti-miala izy? |
31. | Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy? |
32. | Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana ao am-pasana; |
33. | Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan'ny maro tany alohany. |
34. | Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany! |
← Job (21/42) → |