← Ezekiel (27/48) → |
1. | Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: |
2. | Hianao, ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Tyro, |
3. | ka ataovy aminy hoe: He, ry ilay monina amin'ny vava-ranomasina, Mpandranto ho an'ny firenena ho any ny moron-dranomasina maro samy hafa; Izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, ry Tyro, ianao efa nanao hoe: Izaho dia tena tsara tarehy! |
4. | Ao amin'ny ranomasina ny taninao, efa tanteraky ny mpandrafitra anao ny hatsaran-tarehinao. |
5. | Hazo kypreso avy any Senira no nanaovany ny lampihazonao; Sedera avy any Libanona no nalainy hatao andrin-tsambonao. |
6. | Oka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima no nataony fipetrahan'ny mpivoinao sady nasiany parike ivory. |
7. | Rongony madinika samy hafa soratra avy any Egypta no natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba manga sy volomparasy avy any amin'ny moron-dranomasin'i Elisa no eloelonao. |
8. | Ny mponina any Sidona sy Arvada no mpivoinao; Ny olon-kendrinao, ry Tyro, no tao aminao, ka ireo no mpitondra sambonao. |
9. | Ny zokiolon'i Gebala sy izay hendry tany no tao aminao ho mpanentsin-tsambonao; ny sambo rehetra teny amin'ny ranomasina mbamin'ny matilony dia tonga tao aminao hanakalo ny rantonao. |
10. | Ny avy any Persia sy ny Lydiana dia isan'ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao. |
11. | Ny terak'i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin'ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no tao amin'ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin'ny mandanao manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao. |
12. | Tarsisy no mpandranto nankany aminao noho ny haben'ny harena samy hafa rehetra; Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka na nentiny natakalo ny entanao. |
13. | Javana sy Tobala ary Maseka no mpandranto nankany aminao, ka olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao. |
14. | Ny terak'i Togarma nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao. |
15. | Ny terak'i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin'ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory sy hazomainty natakalo ny entanao. |
16. | Syria no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny tao-zavatrao, ka karbonkolo sy lamba volomparasy sy tenona samy hafa soratra sy rongony fotsy madinika sy voahangy ary robina No nentiny natakalo ny entanao. |
17. | Joda sy ny tanin'ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao. |
18. | Damaskosy no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny taozavatrao, dia ny haben'ny harenao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon'ondry fotsy izy. |
19. | Vedana koa sy Javana avy any Ozala dia nitondra vy voatefy. |
20. | Dedana no mpandranto nankany aminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly. |
21. | Arabia sy ireo andriandahin'i Kedara rehetra no nandranto tany aminao, ka zanak'ondry sy ondrilahy ary osilahy no nentiny natao varotra tao aminao. |
22. | Ny mpandranto avy any Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao. |
23. | Harana sy Kane ary Edena sy mpandranto avy any Sheba sy Asyria ary Kilmada no mpandranto nankany aminao. |
24. | Ireo no mpandranto nankany aminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra, dia kapôty manga sy samy hafa soratra ary vata sedera mifehy misy fitafiana soa no natakalony ny varotrao. |
25. | Ny sambon'i Tarsisy no mpitondra ny entanao, dia feno sady be voninahitra ianao teo amin'ny ranomasina. |
26. | Nentin'ny mpivoinao teny amin'ny rano be ianao, dia nahavaky anao tao amin'ny ranomasina ny rivotra avy any atsinanana. |
27. | Ny harenao sy ny vidin'entanao, ny varotrao, ny matilonao sy ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao sy ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin'ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao amin'ny ranomasina tamin'ny andro nandravana anao. |
28. | Noho ny fidradradradran'ny mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina. |
29. | Ary samy midina miala amin'ny sambony ny mpivoy rehetra sy ny matilo ary ny mpitondra sambo rehetra eny an-dranomasina ka mijanòna eny an-tanety; |
30. | Ary manandratra ny feony noho ny nanjo anao izy ka midradradradra mafy sady manopy vovoka hiraraka amin'ny lohany ary mihosinkosin-davenona; |
31. | Ary mibory loha avokoa izy noho ny aminao sy misikina lamba fisaonana ary mitomany anao amin'ny fangidiam-panahy izy, dia fisaonana mafy. |
32. | Ary raha midradradradra izy, dia manao hira fahalahelovana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza moa no tahaka an'i Tyro, dia tahaka ilay rava ao ampovoan'ny ranomasina ? |
33. | Raha nivoaka avy amin'ny ranomasina ny varotrao, dia nahatretrika firenena maro ianao; Tamin'ny haben'ny harenao sy ny varotrao dia nampanan-karena ny mpanjakan'ny tany ianao. |
34. | Tamin'ny andro nandravan'ny ranomasina anao ho any amin'ny rano lalina dia niara-nilentika taminao ny varotrao sy ny olona tafangona tao aminao. |
35. | Talanjona anao ny mponina rehetra amin'ny moron-dranomasina, ary raiki-tahotra ny mpanjakany ka dia mivalomainty. |
36. | Misitrisitra anao ny mpandranto amin'ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay |
← Ezekiel (27/48) → |