← 2Samuel (9/24) → |
1. | Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa noho ny amin'i Jonatana? |
2. | Ary nisy mpanompon'ny fianakavian'i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin'i Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy. |
3. | Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon'Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin'i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy. |
4. | Ary hoy ny mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, ao Lo-debara. |
5. | Ary Davida mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, tao Lodebara. |
6. | Ary nony tonga teo amin'i Davida Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao. |
7. | Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin'i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an'i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. |
8. | Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao? |
9. | Dia niantso an'i Ziba, mpanompon'i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra nananan'i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin'ny tomponao. |
10. | Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an'ny zanakalahin'ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin'ny tomponao, hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin'ny folo sy mpanompo roa-polo. |
11. | Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon'ny mpanomponao. Fa ny amin'i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin'ny latabatro toy ny anankiray amin'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy. |
12. | Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon'i Ziba dia mpanompon'i Mefiboseta avokoa. |
13. | Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin'ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa. |
← 2Samuel (9/24) → |