| ← Zechariah (5/14) → |
| 1. | Dia natopiko indray ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy horonan-taratasy manidina. |
| 2. | Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany. |
| 3. | Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin'ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra dia hosorohina araka izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka izany koa. |
| 4. | Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka hiditra ao an-tranon'ny mpangalatra sy ao an-tranon'izay mianian-tsy tò amin'ny anarako ary hitoetra ao amin'ny tranony ka handevona azy mbamin'ny hazony sy ny vatony. |
| 5. | Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io. |
| 6. | Dia hoy izaho: Inona moa io ? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana 'mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin'ny tany rehetra |
| 7. | (ary, indro, nisy vongam-piraka boribory naingaina); ary io no vehivavy iray mipetraka ao anatin'ny vata famarana. |
| 8. | Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin'ny vata famarana io; ary natontany teo am-bavan'io ny vato firaka. |
| 9. | Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan'ny tany sy ny lanitra ny vata famarana.7 |
| 10. | Dia hoy izaho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran'ireto ny vata famarana. |
| 11. | Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin'ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin'ny fipetrahany izy. |
| ← Zechariah (5/14) → |