| ← SongOfSongs (6/8) → |
| 1. | Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin'ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy. |
| 2. | Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin'ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin'ny tanimboly sy hioty ny lilia. |
| 3. | An'ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin'ny lilia. |
| 4. | Tsara tarehy tahaka an'i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an'i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva. |
| 5. | Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan'i Gileada. |
| 6. | Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana, |
| 7. | Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao. |
| 8. | Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa. |
| 9. | Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin'izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy. |
| 10. | Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon'ny miaramila mitondra faneva? |
| 11. | Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongaben-danitra. |
| 12. | Tsy nampoiziko ny nanandratan'ny fanahiko ahy ho eo amin'ny kalesin'ny fireneko be voninahitra. |
| ← SongOfSongs (6/8) → |