| ← Ruth (4/4) | 
| 1. | Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry ô! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka. | 
| 2. | Dia naka folo lahy tamin'ny loholona tao an-tanàna Boaza ka nanao hoe: Mipetraha eto ianareo. Dia nipetraka ireo. | 
| 3. | Dia niteny tamin'Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin'ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an'i Elimeleka rahalahintsika. | 
| 4. | Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan'izay mipetraka eto sy eto anatrehan'ny loholona amin'ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tàhiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho. | 
| 5. | Dia hoy Boaza: Amin'izay andro ividiananao ny tany amin'ny tànan'i Naomy, dia amin'i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany ianao. | 
| 6. | Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an'ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho. | 
| 7. | Ary ny amin'ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin'ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin'ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an'ny namany; dia vavolombelona teo amin'ny Isiraely izany. | 
| 8. | Ary hoy ilay havana mahavotra tamin'i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony izy. | 
| 9. | Ary hoy Boaza tamin'ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin'ny tànan'i Naomy izay rehetra an'i Elimeleka sy izay rehetra an'i Kiliona sy Malona. | 
| 10. | Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran'ny maty eo amin'ny rahalahiny sy eo amin'ny vavahadin'ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany. | 
| 11. | Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin'ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon'i Jehovah tahaka an'i Rahely sy tahaka an'i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon'ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao; | 
| 12. | ary ho tahaka ny taranak'i Fareza, izay naterak'i Tamara tamin'i Joda, anie ny taranakao avy amin'ny zanaka izay homen'i Jehovah anao amin'ity vehivavy ity. | 
| 13. | Ary Boaza dia nampakatra an'i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan'anaka azy, ka niteraka zazalahy izy. | 
| 14. | Ary hoy ireo vehivavy tamin'i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin'ny Isiraely. | 
| 15. | Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy. | 
| 16. | Dia nandray ny zaza Naomy ka nitrotro azy, dia tonga mpitaiza azy. | 
| 17. | Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an'i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain'i Jese, rain'i Davida. | 
| 18. | Ary izao no taranak'i Fareza: Fareza niteraka an'i Hezrona; | 
| 19. | ary Hezrona niteraka an'i Rama; ary Rama niteraka an'i Aminadaba; | 
| 20. | ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona; | 
| 21. | ary Salmona niteraka an'i Boaza; ary Boaza niteraka an'i Obeda; | 
| 22. | ary Obeda niteraka an'i Jese; ary Jese niteraka an'i Davida. | 
| ← Ruth (4/4) |