| ← Psalms (99/150) → |
| 1. | Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin'ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany. |
| 2. | Lehibe any Ziona Jehovah; Ary avo ambonin'ny firenena rehetra Izy. |
| 3. | Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa masina Jehovah. |
| 4. | Ny herin'ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin'i Jakoba. |
| 5. | Manandrata an'i Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin'ny fitoeran-tongony; Fa masina Izy. |
| 6. | Mosesy sy Arona tamin'ny mpisorony, Ary Samoela tamin'izay mpiantso ny anarany, Niantso an'i Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy. |
| 7. | Niteny taminy tao anatin'ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny didy izay efa nomeny azy. |
| 8. | Jehovah Andriamanitray รด, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza. |
| 9. | Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masina; Fa masina Jehovah Andriamanitsika. |
| ← Psalms (99/150) → |