| ← Psalms (91/150) → |
| 1. | Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha. |
| 2. | Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako. |
| 3. | Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza. |
| 4. | Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany. |
| 5. | Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro, |
| 6. | Na ny areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin'ny mitataovovonana. |
| 7. | Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany |
| 8. | Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy. |
| 9. | Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra, |
| 10. | Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao. |
| 11. | Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao. |
| 12. | Eny an-tànany no hitondran'ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao. |
| 13. | Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao. |
| 14. | Satria Izaho no niraiketan'ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin'ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy |
| 15. | Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho. |
| 16. | Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko. |
| ← Psalms (91/150) → |