| ← Psalms (84/150) → | 
| 1. | Ho an'ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon'ny Koraita. Endrey ny hatsaran'ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon'ny maro, ô! | 
| 2. | Manina sady vonton'alahelo ny kianjan'i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an'Andriamanitra velona. | 
| 3. | Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro. | 
| 4. | Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy. | 
| 5. | Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana; | 
| 6. | Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy. | 
| 7. | Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Ziona izy rehetra. | 
| 8. | Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr'i Jakoba ô. | 
| 9. | Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan'ny voahosotrao. | 
| 10. | Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin'ny tokonam-baravaran'ny tranon'Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain'ny ratsy fanahy. | 
| 11. | Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen'i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin'izay mandeha amin'ny fahitsiana izy. | 
| 12. | Jehovah, Tompon'ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao. | 
| ← Psalms (84/150) → |