Psalms (83/150)  

1. Tonon-kira. Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, aza mangina; aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô.
2. Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.
3. Ny olonao no iokoany amin'ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.
4. Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran'Isiraely.
5. Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao,
6. Dia ny lain'ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita,
7. Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin'ny mponina any Tyro.
8. Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin'ny taranak'i Lota ireo.
9. Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an'i Sisera sy Jabina teo amin'ny ony Kisona;
10. Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy.
11. Ataovy tahaka an'i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an'i Zebaha sy Zaimona,
12. Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan'Andriamanitra.
13. Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin'ny rivotra,
14. Tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra;
15. Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin'ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin'ny tafio-drivotrao.
16. Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô.
17. Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.
18. Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin'ny tany rehetra.

  Psalms (83/150)