Psalms (76/150)  

1. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra dia fantatra eo amin'ny Joda; malaza eo amin'ny Isiraely ny anarany;
2. Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.
3. Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana.
4. Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin'ny tendrombohitra fitohàna.
5. Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra.
6. Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr'i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.
7. Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?
8. Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,
9. Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin'ny tany.
10. Fa ny fahatezeran'ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.
11. Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an'Izay mahatahotra.
12. Manapaka ny reharehan'ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan'ny tany.

  Psalms (76/150)