| ← Psalms (71/150) → |
| 1. | Hianao, Jehovah ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho. |
| 2. | Vonjeo ny fahamarinanao aho, ka afaho; atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho. |
| 3. | Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao. |
| 4. | Andriamanitro ô, afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho, dia amin'ny tanan'ny mpanao meloka sy ny lozabe. |
| 5. | Fa Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora. |
| 6. | Hianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; ianao namoaka ahy avy tany an-kibon-dreniko; ianao no deraiko mandrakariva. |
| 7. | Tonga toa zava-mahagaga eo imason'ny maro aho; nefa Hianao no fiarovana mafy ho ahy. |
| 8. | Ny vavako ho feno ny fideràna Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva. |
| 9. | Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko. |
| 10. | Fa miresaka ahy ny fahavaloko; ary miara-mioko izay manotrika hahazo ny aiko. |
| 11. | Ka manao hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy; enjeho izy, ka sambory, fa tsy misy hamonjy. |
| 12. | Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Andriamanitro ô, faingana hamonjy ahy. |
| 13. | Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy. |
| 14. | Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao. |
| 15. | Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany. |
| 16. | Ho entiko ny asa lehibe nataon'i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany. |
| 17. | Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho. |
| 18. | Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin'ny taranaka sy ny asanao lehibe amin'izay rehetra mbola ho avy. |
| 19. | Ary mihatra amin'izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao? |
| 20. | Hianao Izay nampahita ahy indray hiala amin'ny fitoerana lalina amin'ny tany. |
| 21. | Ampitomboy ny voninahitro, ary aoka hampionona ahy indray Hianao. |
| 22. | Izaho kosa hidera Anao amin'ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin'ny lokanga aho, ry Iray Masin'ny Isiraely ô. |
| 23. | Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao; |
| 24. | Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy. |
| ← Psalms (71/150) → |