Psalms (67/150)  

1. Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
2. Mba ho fantatra etỳ ambonin'ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin'ny jentilisa rehetra.
3. Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
4. Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin'ny tany dia entinao;
5. Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
6. Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.
7. Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.

  Psalms (67/150)