| ← Psalms (64/150) → | 
| 1. | Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin'ny tahotro ny fahavalo. | 
| 2. | Afeno aho tsy ho azon'ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy,sy ny fitabataban'ny mpanao ratsy, | 
| 3. | Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy. | 
| 4. | Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra. | 
| 5. | Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany? | 
| 6. | Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin'ny olombelona, dia ny fony. | 
| 7. | Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan'ny zana-tsipìka no fahavoazany. | 
| 8. | Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra izay rehetra mahita azy. | 
| 9. | Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon'Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany. | 
| 10. | Mifaly amin'i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra. | 
| ← Psalms (64/150) → |