| ← Psalms (63/150) → |
| 1. | Salamo nataon'i Davida, fony tany an-efitr'i Joda izy. ANDRIAMANITRA รด, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano; |
| 2. | Toy izany no nijereko Anao tao amin'ny fitoerana masina, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao. |
| 3. | Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao. |
| 4. | Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako. |
| 5. | Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny vavako Anao. |
| 6. | Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin'ny fiambenan'alina. |
| 7. | Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin'ny aloky ny elatrao no hihobiako. |
| 8. | Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana. |
| 9. | Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin'ny tenany; hiditra any ambanin'ny tany izy; |
| 10. | Hatolotra ho amin'ny herin'ny sabatra izy; ho anjaran'ny amboahaolo izy. |
| 11. | Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan'izay rehetra mandainga. |
| ← Psalms (63/150) → |