Psalms (62/150)  

1. Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.
2. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.
3. Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona;
4. Misaina hanongana azy hiala amin'ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin'ny vavany izy, fa manozona amin'ny fony.
5. Miantombena amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.
6. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.
7. Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra.
8. Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika.
9. Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin'ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.
10. Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin'ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo.
11. Indray mandeha no nitenenan'Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an'Andriamanitra ny hery.
12. Ary Anao koa, ry Tompo รด, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.

  Psalms (62/150)