| ← Psalms (6/150) → |
| 1. | Ho an'ny mpiventy hira. Nampiarahina amin'ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy. |
| 2. | Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako. |
| 3. | Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana? |
| 4. | Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao. |
| 5. | Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao? |
| 6. | Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan'alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako. |
| 7. | Lanin'alahelo ny masoko; efa pahina izy amin'ny ataon'ny mpampahory ahy rehetra. |
| 8. | Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon'ny fitomaniako. |
| 9. | Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako. |
| 10. | Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka. |
| ← Psalms (6/150) → |