| ← Psalms (55/150) → | 
| 1. | Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin'ny fitarainako. | 
| 2. | Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho, | 
| 3. | Noho ny feon'ny fahavalo sy ny fampahorian'ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin'ny fahatezerana no ankahalany ahy. | 
| 4. | Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana. | 
| 5. | Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro. | 
| 6. | Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako; | 
| 7. | Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra. | 
| 8. | Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon'ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra. | 
| 9. | Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho. | 
| 10. | Hodidininy andro aman'alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy; | 
| 11. | Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin'ny lalàmbeny. | 
| 12. | Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,- fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho; | 
| 13. | Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra, | 
| 14. | Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin'ny maro ho ao an-tranon'Andriamanitra. | 
| 15. | Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. | 
| 16. | Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy. | 
| 17. | Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy, | 
| 18. | Ka hanavotra ny fanahiko ho amin'ny fiadanana hahafahako amin'ny adin'ireny amiko, fa maro no miady amiko. | 
| 19. | Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin'ny taloha, ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an'Andriamanitra. | 
| 20. | Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy. | 
| 21. | Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny. | 
| 22. | Apetraho amin'i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina. | 
| 23. | Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao. | 
| ← Psalms (55/150) → |