Psalms (53/150)  

1. Ho an'ny mpiventy hira. Al-mahalath. Maskila nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy, tsy misy manao ny tsara.
2. Eny an-danitra Andriamanitra miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.
3. Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.
4. Tsy mahalala va ny mpanao ratsy, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Andriamanitra tsy antsoiny?
5. Indreo, matahotra dia matahotra ireny, nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra efa nanely ny taolan'izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao, satria efa narian'Andriamanitra izy.
6. Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! raha ampodin'Andriamanitra avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.

  Psalms (53/150)