| ← Psalms (44/150) → |
| 1. | Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin'ny androny, dia tamin'ny andro fahiny. |
| 2. | Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany. |
| 3. | Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy. |
| 4. | Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an'i Jakoba. |
| 5. | Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay. |
| 6. | Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy. |
| 7. | Fa namonjy anay tamin'ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra. |
| 8. | Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay. |
| 9. | Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin'ny antokon'ny miaramilanay Hianao. |
| 10. | Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo. |
| 11. | Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin'ny firenen-tsamy hafa. |
| 12. | Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin'ny vidiny. |
| 13. | Ataonao fandatsan'ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson'izay manodidina anay. |
| 14. | Ataonao ho ambentinteny amin'ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin'ny olona maro. |
| 15. | Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako, |
| 16. | Noho ny feon'ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy. |
| 17. | Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao. |
| 18. | Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin'ny lalanao ny dianay. |
| 19. | Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin'ny fitoeran'ny amboadia sy nanarona anay tamin'ny aloky ny fahafatesana. |
| 20. | Raha nanadino ny anaran'Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin'ny andriamani-kafa, |
| 21. | Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po. |
| 22. | Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay. |
| 23. | Mifohaza, ry Tompo ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay. |
| 24. | Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay? |
| 25. | Fa miankohoka amin'ny vovoka ny fanahinay, miraikitra amin'ny tany ny kibonay. |
| 26. | Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao. |
| ← Psalms (44/150) → |