Psalms (43/150)  

1. Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin'ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka.
2. Fa Hianao no Andriamanitry ny heriko; Nahoana no manary ahy Hianao? Nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko?
3. Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any an-tendrombohitrao masina, dia ho any amin'ny tabernakelinao.
4. Dia hankany amin'ny alitaran'Andriamanitra aho, dia any amin'Andriamanitry ny fifaliako indrindra; ary hidera Anao amin'ny lokanga aho, ry Andriamanitra ô, dia Andriamanitro.
5. Nahoana no mitanondrika ianao ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho. Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.

  Psalms (43/150)