| ← Psalms (38/150) → | 
| 1. | Salamo nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy. | 
| 2. | Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao,ary manindry ahy mafy ny tananao, | 
| 3. | Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako. | 
| 4. | Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako. | 
| 5. | Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako. | 
| 6. | Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva. | 
| 7. | Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko. | 
| 8. | Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon'ny foko. | 
| 9. | Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao. | 
| 10. | Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan'ny masoko aza efa nandao ahy. | 
| 11. | Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny. | 
| 12. | Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana,sy misaim-pitaka mandrakariva. | 
| 13. | Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava; | 
| 14. | Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany. | 
| 15. | Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô. | 
| 16. | Fa hoy izaho: sao dia hifalian'izy ireo anie aho;ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy. | 
| 17. | Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva. | 
| 18. | Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako. | 
| 19. | Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana; | 
| 20. | Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin'ny fanarahako ny tsara. | 
| 21. | Aza mahafoy ahy,Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy. | 
| 22. | Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô. | 
| ← Psalms (38/150) → |