| ← Psalms (36/150) → |
| 1. | Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah. Ny ota milaza ato am-poko ny amin'ny ratsy fanahy hoe: tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra ao aminy. |
| 2. | Fa miarahaba tena izy ny amin'ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy. |
| 3. | Ny tenin'ny vavany dia faharatsiana sy fitaka; efa nihadala izy ka nitsahatra tsy hanao soa. |
| 4. | Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin'ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory. |
| 5. | Jehovah ô, mipaka amin'ny lanitra ny famindram-ponao; mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao. |
| 6. | Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitra avo dia avo; ny fitsaranao dia toy ny lalina indrindra; ny olona sy ny biby dia samy vonjenao, Jehovah ô, |
| 7. | Endrey ny hatsaran'ny famindram-ponao, Andriamanitra ô! ka mialoka eo amin'ny aloky ny elatrao ny zanak'olombelona. |
| 8. | Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy. |
| 9. | Fa ao aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana. |
| 10. | Ampahareto amin'izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin'ny mahitsy fo. |
| 11. | Aoka tsy hanitsaka ahy ny tongotry ny mpiavonavona, na hampandositra ahy ny tanan'ny ratsy fanahy. |
| 12. | Indreo! efa lavo ny mpanao ratsy; naripaka izy ka tsy maharina. |
| ← Psalms (36/150) → |