| ← Psalms (34/150) → |
| 1. | Nataon'i Davida tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. |
| 2. | Jehovah no reharehan'ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay. |
| 3. | Miaraha mankalaza an'i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika. |
| 4. | Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra. |
| 5. | Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany. |
| 6. | Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra. |
| 7. | Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy. |
| 8. | Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. |
| 9. | Matahora an'i Jehovah, ianareo olony masina;fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy. |
| 10. | Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory. |
| 11. | Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo. |
| 12. | Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa, |
| 13. | Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. |
| 14. | Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany. |
| 15. | Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. |
| 16. | Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy. |
| 17. | Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. |
| 18. | Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy. |
| 19. | Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany. |
| 20. | Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza. |
| 21. | Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina. |
| 22. | Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy. |
| ← Psalms (34/150) → |