| ← Psalms (3/150) → |
| 1. | Salamo nataon'i Davida, fony izy nandositra an'i Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy. |
| 2. | Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy. |
| 3. | Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako. |
| 4. | Amin'ny feoko no iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy. |
| 5. | Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. |
| 6. | Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy. |
| 7. | Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao. |
| 8. | An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao. |
| ← Psalms (3/150) → |