Psalms (26/150)  

1. Nataon'i Davida. Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin'ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.
2. Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.
3. Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko; ary mandeha amin'ny fahamarinanao aho.
4. Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin'ny olom-petsy.
5. Halako ny fiangonan'ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho.
6. Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin'ny alitaranao, Jehovah ô,
7. Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.
8. Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan'ny voninahitrao.
9. Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na ny aiko amin'ny mpandatsa-drà,
10. Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.
11. Fa izaho kosa dia mandeha amin'ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.
12. Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.

  Psalms (26/150)