Psalms (2/150)  

1. Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?
2. Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:
3. "Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany."
4. Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
5. Dia hiteny azy amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe:
6. "Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina."
7. "Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.
8. Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao.
9. Hotorotoroinao amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy."
10. Ary amin'izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany.
11. Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana.
12. Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.

  Psalms (2/150)