| ← Psalms (15/150) → |
| 1. | Salamo nataon'i Davida. Jehovah รด, iza no hitoetra ao amin'ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masina? |
| 2. | Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony; |
| 3. | Tsy manendrikendrika amin'ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany, |
| 4. | Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah; tsy mivadika amin'ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, |
| 5. | Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay. |
| ← Psalms (15/150) → |