| ← Psalms (147/150) → |
| 1. | Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana. |
| 2. | Manangana an'i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy. |
| 3. | Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny. |
| 4. | Milaza ny isan'ny kintana Izy: Samy tononiny amin'ny anarany ireny rehetra ireny. |
| 5. | Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany. |
| 6. | Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin'ny tany. |
| 7. | Mihirà fiderana ho an'i Jehovah; Mankalazà an'Andriamanitsika amin'ny lokanga, |
| 8. | Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin'ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra, |
| 9. | Manome hanina ho an'ny biby Izy Sy ho an'ny zana-goaika izay mitaraina. |
| 10. | Tsy ny herin'ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany. |
| 11. | Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony. |
| 12. | Mankalazà an'i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an'Andriamanitrao, ry Ziona ô. |
| 13. | Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao. |
| 14. | Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao. |
| 15. | Mampandeha ny didiny ho amin'ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny. |
| 16. | Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy. |
| 17. | Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany? |
| 18. | Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano. |
| 19. | Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Isiraely. |
| 20. | Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia. |
| ← Psalms (147/150) → |