| ← Psalms (144/150) → |
| 1. | Nataon'i Davida. Isaorana anie Jehovah Vatolampiko, Izay mampianatra ny tanako hamely Sy ny rantsan-tanako hiady, |
| 2. | Izay Mpiantra sy batery fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy, Ary ampingako sy fialofako, Izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahy |
| 3. | Jehovah ô, inona ny olona, no iahianao azy? Ary ny zanak'olombelona, no iheveranao azy? |
| 4. | Ny olona dia tahaka ny zava-poana, Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina. |
| 5. | Jehovah ô, aondreho ny lanitrao, ka midina; Tendreo ny tendrombohitra, dia hidonaka ireny. |
| 6. | Ampitselatselaro ny helatra, ka ampielezo ireo; Alefao ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireo; |
| 7. | Ahinjiro avy any ambony ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo amin'ny rano be, Dia amin'ny tanan'ny hafa firenena, |
| 8. | Izay miteny zava-poana amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka. |
| 9. | Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin'ny valiha tory folo no hankalazako Anao, |
| 10. | Izay manome famonjena ho an'ireo mpanjaka, Sady mamonjy an'i Davida mpanompony tsy ho voan'ny sabatra mandratra. |
| 11. | Afaho aho, ka vonjeo amin'ny tanan'ny hafa firenena, Izay miteny zava-poana amin'ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka; |
| 12. | Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban'ny lapan'andriana ny zanakai-vavy. |
| 13. | Ho feno ny trano fitehirizanay, ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; Hiteraka arivoarivo sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay; |
| 14. | Hahazaka be ny ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy fitarainana any an-dalambenay. |
| 15. | Sambatra ny firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny. |
| ← Psalms (144/150) → |