Psalms (14/150)  

1. Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.
2. Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra.
3. Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.
4. Tsy mahalala va ny mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah tsy antsoiny?
5. Indreo, matahotra dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin'ny taranaka marina.
6. Na dia foananareo aza ny fisainan'ny ory, Jehovah kosa no arony.
7. Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin'i Jehovah avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.

  Psalms (14/150)