Psalms (137/150)  

1. Teo amoron'ny onin'i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an'i Ziona.
2. Teo amin'ny hazomalahelo teo afovoan'i Babylona No nanantonanay ny lokanganay.
3. Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay; Ary izay nampahory anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran'i Ziona eto anatrehanay.
4. Nefa ho nataontsika ahoana no fihira ny fihiran'i Jehovah Tany an-tany nivahiniana?
5. Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino.
6. Raha tsy mahatsiaro anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin'ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin'ny fifaliako rehetra.
7. Jehovah ô, tsarovy amin'ny taranak'i Edoma Ny andron'i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin'ny fanorenany.
8. Ry Babylona zanakavavy izay efa resy, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay.
9. Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin'ny harambato.

  Psalms (137/150)