Psalms (136/150)  

1. MiderĂ  an'i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
2. Midera an'Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
3. MiderĂ  ny Tompon'ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony;
4. Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
5. Izay nanao ny lanitra tamin'ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
6. Izay namelatra ny tany ho ambonin'ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
7. Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
8. Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
9. Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
10. Izay namely ny voalohan-terak'i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony)
11. Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
12. Tamin'ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
13. Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
14. Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
15. Fa nanary an'i Farao sy ny miaramilany tao anatin'ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
16. Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
17. Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
18. Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
19. Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
20. Sy Oga, mpanjakan'i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
21. Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
22. Dia ho lovan'ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
23. Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
24. Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin'ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
25. Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony);
26. MiderĂ  an'Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.

  Psalms (136/150)