| ← Psalms (133/150) → | 
| 1. | Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Endrey, tsara sady mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina | 
| 2. | Tahaka ny diloilo tsara amin'ny loha, Izay mitsororoka amin'ny somotra, dia ny somotr'i Arona, Izay mitsororoka amin'ny moron-tongotr'akanjony; | 
| 3. | Tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin'ny tendrombohitra Ziona; Fa voadidin'i Jehovah ho eo ny fitahiana, Dia fiainana ho mandrakizay. | 
| ← Psalms (133/150) → |