Psalms (131/150)  

1. Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Jehovah ô, tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko: Ary tsy nisaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, Na izay saro-pantarina tsy takatro.
2. Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko aho; Tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny. Dia tahaka Izany ny fanahiko ato anatiko.
3. Ry Isiraely ô, manantenà an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay.

  Psalms (131/150)