| ← Psalms (130/150) → |
| 1. | Fihirana fiakarana. Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô, |
| 2. | Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako. |
| 3. | Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô? |
| 4. | Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao. |
| 5. | Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako. |
| 6. | Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina. |
| 7. | Manantenà an'i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin'i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be; |
| 8. | Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin'ny helony rehetra. |
| ← Psalms (130/150) → |