| ← Psalms (127/150) → |
| 1. | Fihirana fiakarana. Nataon'i Solomona. Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina. |
| 2. | Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin'ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an'ny malalany, na dia matory aza izy. |
| 3. | Indro, lova avy amin'i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo. |
| 4. | Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan'ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana. |
| 5. | Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin'ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin'ny fahavalo eo am-bavahady. |
| ← Psalms (127/150) → |