Psalms (126/150)  

1. Fihirana fiakarana. Fony Jehovah nampody an'i Ziona avy tamin'ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika.
2. Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin'ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho an'ireny.
3. Eny, zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika.
4. Tanteraho, Jehovah รด, ny ham-podiana anay avy amin'ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan'ny riaka any amin'ny tany atsimo.
5. Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana.
6. Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin'ny fihobiana kosa.

  Psalms (126/150)