Psalms (124/150)  

1. Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe:
2. Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.
3. Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;
4. Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;
5. Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka.
6. Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin'ny nifiny.
7. Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin'ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika.
8. Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

  Psalms (124/150)