| ← Psalms (121/150) → |
| 1. | Fihirana fiakarana? |
| 2. | Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. |
| 3. | Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. |
| 4. | Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely. |
| 5. | Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao. |
| 6. | Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina. |
| 7. | Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy. |
| 8. | Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay. |
| ← Psalms (121/150) → |