| ← Psalms (120/150) → |
| 1. | Fihirana fiakarana. Jehovah no nitarainako tamin'ny fahoriako dia namaly ahy Izy, |
| 2. | Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin'ny molotra mandainga, Eny, amin'ny lela mamitaka |
| 3. | Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao, Ry lela mamitaka? |
| 4. | Zana-tsipìkan'ny mahery sady voaranitra, Mbamin'ny vain'afon'anjavidy. |
| 5. | Lozako, fa mivahiny eto amin'ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain'ny Kedarita! |
| 6. | Ela loatra izay no nitoeran'ny fanahiko teo amin'Izay tsy tia fihavanana. |
| 7. | Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny. |
| ← Psalms (120/150) → |