| ← Psalms (118/150) → |
| 1. | Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony. |
| 2. | Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. |
| 3. | Aoka ny taranak'i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. |
| 4. | Aoka izay matahotra an'i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. |
| 5. | Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy. |
| 6. | Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona atao amiko? |
| 7. | Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin'izay mankahala ahy. |
| 8. | Tsara ny mialoka amin'i Jehovah Noho ny mialoka amin'ny olona. |
| 9. | Tsara ny matoky an'i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka. |
| 10. | Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa; |
| 11. | Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa. |
| 12. | Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa. |
| 13. | Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy. |
| 14. | Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy. |
| 15. | Ao an-dain'ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery; |
| 16. | Ny tanana ankavanan'i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery. |
| 17. | Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan'i Jehovah. |
| 18. | Nofaizan'i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin'ny fahafatesana. |
| 19. | Vohay ny vavahadin'ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an'i Jehovah. |
| 20. | Ity no vavahadin'i Jehovah; Ny marina no hiditra eo. |
| 21. | Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy. |
| 22. | Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra. |
| 23. | Avy tamin'i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika. |
| 24. | Ity no andro nataon'i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika. |
| 25. | Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è! |
| 26. | Hotahina anie izay avy amin'ny anaran'i Jehovah; Avy ao an-tranon'i Jehovah no itsofanay rano anareo. |
| 27. | Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin'ny tandroky ny alitara aza. |
| 28. | Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho. |
| 29. | Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony. |
| ← Psalms (118/150) → |