Psalms (114/150)  

1. Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak'i Jakoba avy tany amin'ny firenena hafa fiteny,
2. Joda no fitoerany masina, Isiraely no fanjakany.
3. Ny ranomasina nahita ka nandositra; Ary niorika Jordana.
4. Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak'ondry.
5. Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra ianao? Ary ianao, ry Jordana, no miorika ianao?
6. Ary ianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary ianareo havoana, tahaka ny zanak'ondry?
7. Mihorohoroa eo anatrehan'ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan'Andriamanitr'i Jakoba.
8. Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.

  Psalms (114/150)