| ← Psalms (112/150) → | 
| 1. | Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra. | 
| 2. | Hahery ambonin'ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina. | 
| 3. | Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay. | 
| 4. | Ao amin'ny maizina no iposahan'ny mazava ho an'ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny. | 
| 5. | Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy. | 
| 6. | Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina. | 
| 7. | Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an'i Jehovah ny fony. | 
| 8. | Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin'ny mpandrafy azy. | 
| 9. | Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony. | 
| 10. | Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian'ny ratsy fanahy. | 
| ← Psalms (112/150) → |